Actualités

Fikirakirana solosaina misy aterineto Nanampy ireo mponina ao Ihosy ny Airtel


  • Alarobia 21 Septambra 2016

Anisan’ny faritra mbola tara amin’ny fikirakirana ny solosaina, indrindra fa amin’ny fandraisana an-tanana sy fikirakirana ny atontan-taratasy ilain’ny mponina ny distrikan’Ihosy any Ihorombe.


 Ankoatra ny tsy fisian’ny fitaovana mantsy dia mbola olana ihany koa ny fitadiavana mpamatsy vola. Anisan’ny misedra izany olana izany ihany koa ireo mpianatra manao fikarohana eny amin’ny sekoly ambaratonga ambony. Mba ho fanampiana azy ireo dia nanolotra fampitaovana toy ny solosaina, ny tablety, ny finday mahazo aterineto sy ireo fitaovana mifandraika amin’izany tany an-toerana ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar. Nandritra ny fametrahana ny vatofototry ny Lapan’ny tanàna ao Ihosy no nanatanterahany izany, fitaovana hampiasaina ao an-toerana natrehin’ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra Rakotomamonjy Neypatraiky sy ny tale jeneralin’ny Airtel Madagascar Maixent Bekangba

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT