Hanampy ireo vehivavy eto amintsika amin’ny fikirakirana ny teknolojia ny fikambanana Women in Tech Madagascar.
Taorian’ny volana maromaro niasan’ny fikambanana mangingina dia nampahafantarina tamim-pomba ofisialy ny sabotsy teo ny fisiany, hivondronana vehivavy miisa fito ka ny dimy amin’ireo dia mpianatry ny IT University etsy Andoharanofotsy avokoa izay manofana manokana momba ny fikirakirana ny informatika avo lenta. Tanjon’ny fikambanana ny hanome tanana sy hanosika ny vehivavy mba tsy ho tompon-trano mihono amin’ny fivoarana entin’ny teknolojia eto amintsika ka anisan’ny lohalaharana amin’izany ny sehatry ny asa. Eo ihany koa ny fanampiana ireo tsy mahay mihitsy hiditra eo amin’ity sehatra ity. Hisy, raha araka ny fanazavan-dRamatoakely Fanevanjanahary Andriamiadantsoa, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny fikambanana ny fanomezana fiofanana ireo vehivavy vonona hiditra ho mpikambana ankoatra ny fampanaovana fifaninanana ireo ankizy mbola mpianatra eny anivon’ny lisea. Fantatra koa fa tsy maintsy manana mari-pahaizana Bakalôrea vao afaka miditra ho mpikambana saingy tsy manakana ireo vehivavy sasany tsy hahazo tombontsoa izany. Efa mahatratra 67 sahady ireo vehivavy mpikambana amin’izao fotoana izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.