Actualités

Fikirakirana ny informatika Manampy ny tanora ny Airtel


  • Zoma 09 Septambra 2016

Mba tsy hahatara ny tanora Malagasy amin’ny fikirakirana ny solosaina, indrindra manoloana ny rivotra mitsoka entin’ny teknolojia ankehitriny dia miezaka hatrany ny orinasam-pifandraisana Airtel hanampy ny rehetra.

 

 Tafiditra ao anatin’izany ny fanohanana ireo karazana ivontoeram-piofanana maro amin’ny alalan’ilay tetikasa  Coderdojo Madagascar mankazala ny faharoa taona nisiany teto amintsika. Ireo ankizy fito ka hatramin’ny 17 taona no omeny fiofanana amin’izany. Mifandraika indrindra amin’ny fankalazan’ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar ny faherintaona nanohanany azy ireo, tamin’ny alalan’ny coderbus izay mampianatra fikirakirana solosaina maimaimpoana ny tanora sy ny ankizy madinika eto amintsika. Tanjon’ny roa tonta ny hanohana sy hanampy ny zaza Malagasy amin’ny fikirakirana ny solosaina mba tsy ho tara amin’ny fihazakazaky ny fandrosoana misy manerana izao tontolo izao. Andriamatoa Edgard Razafindravahy no ray mpiahy ity coderbus ity, manohana ny tetikasa akaiky ihany koa  ny fikambanana Lions Club Manjakamiadana. Nisy ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo ankizy nianatra informatika teny anivon’ireny ivontoeram-piofanana ireny toy ny tao amin’ny coderbus Ivato, Anjanahary ary Andohatapenaka, narahin’ny orinasam-pifandraisana Airtel Madagascar fanolorana fanomezana.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT