Misasaka ankehitriny ny fe-potoana nitondran’ny filohan’ny Repoblika Rajaonarimampianina Hery.
32 volana nisiana fanovana praiminisitra in-3 sy ampahany vitsy mpikambana ao amin’ny governemanta. Lesoka rahateo ny tsy fananana olona ho an’ny antoko Hery Vaovao ho an’i Madagasikara sy ireo mpiara-dia aminy eo min’ny fitondrana. Manaporofo izany ireo olom-boafidy mpikambana tamin’ny antoko politika hafa nivadika tsotra izao ho HVM. Hita taratra manokana io fahasahiranan’ny filoham-pirenena io amin’ny fanendrena ireo masoivoho mpiaro ny tombontsoa sy ny fiandrianam-pirenena Malagasy any ivelany. Efa voarain’ity farany mantsy ny lisitr’ireo kandida ho amin’izay toerana izay, araka ny filazan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny Attalah Béatrice ny volana jona 2015. Tsy mbola nisy anefa hatramin’izao ny fanendrena ambasadaoro vaovaon’ny firenena Malagasy any amin’ireo tany lehibe mifandray akaiky amintsika tahaka an’i Paris, New York, Tokyo, 15 volana aty aoriana. Olana iray hafa tsy ahafahan’ny mpitondra fanjakana manoatra ihany koa moa ny lafiny ara-bola, araka ny tsilian-tsofina mandeha. Tsy lazaina intsony ny fankatoavana ilay olona tendren’ny fitondrana Malagasy avy amin’ireo firenena mampiantrano.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.