“Avoahy izao dia izao ny entanay”, hoy ny antsoantson’ireo mpandraharaha mpanjifa tamin’ny fihaonan’izy ireo tamin’ny orinasa IMEX eo ambany fanaraha-mason’ny fadin-tseranana tetsy amin’ny Salle d’oeuvre EKAR Antanimena omaly alakamisy 25 oktobra.
Nohidiana ny fitobian’entan’ity orinasa tantanan’olon-tsotra eny Tanjombato ity nanomboka ny 12 septambra lasa teo. Nilaza anefa ny teo anivon’ny orinasa fa ny entana rehetra lasa eny dia efa vita fitsirihana avokoa. Nanara-dalàna ny kaontenera miisa 12 izay nogiazan’ny fadin-tseranana ary manana ny valin’ny fitsirihana avy amin’ny inspektoran’ny fadin-tseranana teny amin’ny sampandraharaha teny Ankorondrano mialoha ny nahatongavany tao Tanjombato. Hatramin’izao anefa, dia nohidiana izy io ary nolazaina fa nisy ny fanambarana diso natao izay nolazain’izy ireo fa tsy mitombina. Noho ny fahataran’ny fivoahan’entana dia betsaka ny fampitahorana azon’ny orinasa IMEX amin’ireo mpandraharaha mpanjifa ka nahatonga ity fihaonana ity nanazavana ny tena zava-misy marina. Nanambara izy ireo fa noho ny fahatarana be loatra amin’ny famoahana ny entan’izy ireo dia efa marobe ny fatiantoka. Manginy fotsiny ny fanerena ataon’ny banky, izay tsy miraharaha izany olana izany, ny amin’ny famerenam-bola tokony hataon’izy ireo. Tsy mahafantatra izay tena olana mazava ifandroritan’ny orisana IMEX sy ny fadin-tseranana izahay, hoy hatrany ireto mpanjifa fa mila avoaka haingana ny entanay satria io no asa fivelomanay. Tsy mpambongady na mpanondrana fa saika mpandraharaha madinika avokoa ireto mpanjifa ireto ary avy any Sina ny ankamaroan’ny entana. Maro ny manahy mafy ny amin’ny fahapotehan’ny entana satria betsaka ny mora simba ao anaty kaontenera ao. Nanao antso avo tamin’ny tale jeneralin’ny fadin-tseranana izy ireo mba hijery ny tombontsoan’ny mpanjifa. Efa nisy ihany ny fifanatonana, hoy ny teo anivon’ny orinasa IMEX saingy tsy mbola mivaha ny olana ary ny mpanjifa no mizaka ny tsy eran’ny aina. Vao mainka mihapotika hatrany ny toekarena satria mitohana sy miato hatramin’ny fandraharahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka any Azia.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.