Tapitra omaly talata mitatao vovonana ny fe-potoana 24 ora nomen’ireo jiolahy mpaka an-keriny an’i Arnaud, handoavan’ny ray aman-dreniny vola be 1.500.000 euros notakian’izy ireo
. Tsy mbola nisy aloha hatreto ny fandoavana ilay vola. Tsy mbola niala ao Toamasina ihany koa ny zandarin’ny GSIS sy polisin’ny BC avy eto Antananarivo, na teo koa aza ny fampitandremana nataon’ireto mpaka an-keriny amin’ny tokony hialan’izy ireo ao Toamasina tsy hiditra amin’izao raharaha izao.
Ny zavatra hita aza izao dia vao mainka nohamafisina ny fikarohana. Tonga ao Toamasina hatry ny omaly maraina koa ireo alika mpitsongodia an’ny zandarimariam-pirenena Antananarivo hitady sy hamantatra ny toerana misy an’i Arnaud sy ireo toerana mety efa nametrahana azy ihany koa. Raha ny angom-baovao dia milaza ny tsy handoa ilay vola be takian’ireto jiolahy mihitsy ny rain’ity tovolahy tsy mbola hita ity. Mivoaka ihany koa taorian’ny namonoan’ny mpaka an-keriny an’i Annie, ny lisitra misy anaran’olona maromaro nomen’ny fanjakana frantsay ny fanjakana Malagasy tamin’ny alalan’ny primatiora. Fanadihadiana lalina nataon’izy ireo noho ny firongatry ny fakana an-keriny nahazo vahana tao anatin’ny tetezamita mandrak’ity androany, ka lasibatra hatrany ireo teratany frantsay sy ireo mizaka izany zo frantsay izany toa an’i Arnaud. Mety hanamora ny fikarohana ireo jiolahy sy hamongorana ireo tambajotra mpitady vola amin’ny fanaovana takalon’aina ny fivoahan’io lisitra io.
Anio tolakandro no hasitrika ao amin’ny fasam-bahiny Toamasina ny vata mangatsiakan’i Annie, hoy ny fianakaviany.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.