Actualités

FIKARAKARANA TARATASY ENY ANIVON’NY BORIBORINTANY Niova nanomboka omaly ny vola aloa


  • Zoma 12 Febroary 2016

Niova nanomboka omaly alakamisy 11 febroary avokoa ny vola aloa eny anivon’ny Boriborintany enina eto an-drenivohitra rehefa hikarakara taratasy.

   Voakasik’izany avokoa ny rehetra manomboka any amin’ny fanaovana “légalisation de signature” ka hatrany amin’ny “certificat de changement de nom”.  Ho an’itsy voalohany, ohatra, dia lasa 2.000 Ar ny manao ny iray  raha latsak’izany  teo aloha. Niakatra ho 1000 Ar ihany koa ny  fanambaram-pahaterahana ho an’ny zaza iray, 10.000 Ar ny “acte de marriage”,   5.000 Ar ny “bulletin de marriage”, 10.000 Ar ny “acte d’adoption”, 10.000 Ar ihany koa ny “acte de reconnaissance”, 2.000 Ar ny “certificat de célibataire” raha 5.000 Ar ny “acte de divorce”… Manodidina ny 20 isa eo ho eo izy ireo raha  kely indrindra, fiovana izay efa tokony ho nihatra am-bolana maro saingy izao vao notanterahina. Antony nandraisana izao fepetra izao moa  raha araka ny fanadihadiana natao dia noho ny fiakaran’ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fikarakarana ny taratasy izay nanaraka ny fiakaran’ny vidim-piainana koa. Tsy vitsy araka izany ireo  voatery niverim-potsiny omaly na koa  nanampy vola mihitsy  raha nikasa hanao taratasy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT