Efa nanomboka andro vitsivitsy izao ny fisoratana anarana sy ny fandefasana ireo antontan-taratasy ilaina amin’ny fanadinam-panjakana toy ny CEPE, BEPC ary BACC.
Miha maro, araka izany, ireo ray aman-dreny izay tonga eny anivon’ny boriborintany mba hikarakara ny kopia nahaterahana na « bulletin de naissance » an’ireo ankizy hiatrika ny fanadinam-panjakana. Toy ny fanaony isan-taona dia nanao ezaka ny Boriborintany I eny Analakely hanamorana sy hanafainganana ny fangalana ny taratasy. Mandritra ny telo volana no hanaovana izany ary efa nanomboka tamin’ny alatsinainy 4 janoary. Mahatratra 900 isan’andro no maka « bulletin de naissance » ao amin’izao. Marihana fa ho an’ireo izay manan-janaka manao fanadinam-panjakana ihany no hahazo tombony manokana na avy any amin’ny faritra aiza izy na avy aiza. Afaka manatona ao amin’ny « salle de mariage » izy ireo manomboka ny alatsinainy hatramin’ny alakamisy, ary isaky ny maraina ihany. Tsy ilaina ny fangalana taratasy fanamarinam-ponenana eny anivon’ny fokontany fa kopia lava dia ampy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.