Actualités

Fikambanana Youth First Mametraka ny vehivavy amin’ny toerana mendrika


  • Alakamisy 05 Febroary 2015

Mametraka hatrany ny vehivavyvamin’ny toerana mendrika azy ao anaty fiarahamonina ny fikambanana Youth first amin’ny alŕlan’ny fampiofanana tovovavy amin’ny fahaiza-mitarika. Hiditra amin’ny volana martsa ho avy izao indray araka izny ny andiany fahatelo amin’ny fampitam-pahaizana hoan’ireo tovovavy liana amin’izany eto Analamanga

 

. Maimaim-poana ny fiofanana, araka ny fanazavan’ny tale mpanatanteraky ny Youth First, Razafinimanana Tina, nandritra ny famelabelarana tao Antsakaviro, omaly. Angatahina ao amin’ny madagascar.youthfirstmada@gmail.com fotsiny ny taratasy fisoratana anarana, hoy izy, ary tsy maintsy averina alohan’ny 15 febroary. Efa-bolan no haretan’ny fiofanana ka tovovavy miisa 30 eo amin’ny 18 ka hatramin’ny 24 taona no ho raisina hanaraka izany ka ny faha- 27 febroary izao no hivoaka ny anaran’ireo notsongaina hanaraka ny fiofanana. Izay mahazo ny laharana 5 voalohany dia ho tohanan’ny fikambanana ny fanatanterahna ny tetikasa norafetiny

Ntsoavina Evariste


Hanondrotra ny vehivavy hatrany ny Youth first, hoy ny tale mpanatanteraka, Razafinimanana Tina, omaly tao Antsakaviro.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT