Actualités

Fikambanana Youth First Hanamafy ny fahaiza-manaon’ny tanora Malagasy


  • Talata 16 Aogositra 2016

Hanamafy ny fahaiza-manaon’ny tanora Malagasy ny fikambanana Youth First, tarihin’ny filohany Razafinimanana Tiana.

Ankoatra ireo asa nosahaniny toy ny fampiofanana maimaimpoana ny tanora ho lasa mpitarika hanohana ireo namany eny anivon’ny fiarahamonina mantsy  dia tafatsangana ihany koa ny Club Mahatsangy. Ny sabotsy teo no nampahafantarana tamim-pomba ofisialy izany tetsy amin’ny hotel de ville Analakely, klioba iray hanohana ireo tanora 15  ka hatramin’ny 24 taona eny anivon’ny fokontany miampy ireo mpianatry ny lycée eto Antananarivo Renivohitra miaraka  amin’ny distrikan’Atsimondrano sy Avaradrano. Hampiofanina momba ny fitantanam-bola izy ireo, ny fananganana tetikasa iray, ny business plan … Afaka miditra ao anatin’io klioba io avokoa izay tanora rehetra vonona ary afaka mandray ny fiofanana. Hisy ny sonia fifanekem-piaraha-miasa hiarahan’ny fikambanana amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena amin’ity herinandro vaovao ity hahafahana manatanteraka izany. Ny orinasam-pifandraisana Orange Madagascar no mpanohana akaiky ny tetikasa, hotronin’ny Fonds Canadiens pour les Initiatives Locales sy ny Mérite International de la jeunesse. Nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora izay nomarihina ny sabotsy teo no nampahafantarana izany rehetra izany.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT