Omena lanja manokana ny vehivavy manomboka izao eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana raha ny voalazan’ny fikambanana iray misehatra amin’ny lafiny fampivoarana ny vehivavy. Hita mantsy, hoy izy ireo fa tsy ampy ny fandraisan’andraikitry ny vehivavy eo amin’ny fampandrosoana.
Araka izany dia hisy ny hetsika famoronana tetikasa natokana ho an’ny andriambavilanitra 18 hatramin’ny 24 taona. Miompana amin’ny fahaiza-mitarika na leadership ny lohahevitra fototry ny tetikasa. Raha ny voalazan-dRtoa Tina Razafinimanana mpandrindra nasionaly ny tetikasa dia ireo vehivavy avy eto amin’ny faritra Analamanga aloha no omena tombony manokana amin’ity indray mitoraka ity ary mbola hisy ny any amin’ny faritra. Hifarana amin’ny 15 febroary izao ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an’ireo izay liana ka alefa amin’ny mailaka: madagascar.youthfirst@gmail.com. Raha ny fantatra, ny tetikasa mahazo voalohany dia hahazo famatsiam-bola avy amin’ilay fandaharanasa Young Women Leadership Program vatsian’ny Exxon Mobil vola.
Tojo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.