Actualités

Fikambanana Tittel Nahazo tohana avy amin’ny Airtel


  • Alarobia 07 Desambra 2016

Betsaka ireo fikambanana te hanohana sy handray an-tanana ireo olona manana fahasembanana eto amintsika, indrindra fa ny ankizy saingy ny hoenti-manana no tsy ampy.

 

 Anisan’ny misedra olana mifandraika amin’izany ny fikambanana Tittel izay mandray an-tanana ireo ankizy zanaky ny sahirana ara-pivelomana lasibatry ny tsy fahatomombonana ara-tsaina sy ara-batana ( infirmité motrice et cérebrale). Mba ho tombontsoan’ireo ankizy madinika am-polony sahanin’ity fikambanana iray ity dia nanolo-tanana ho azy ireo ny orinasam-pifandraisana Airtel. Tanjon’ny Airtel ny hahatonga ireny ankizy madinika ireny tsy hailikilika eny anivon’ny fiarahamonina intsony fa mba hanana ny toerana maha izy azy, hoy ny tale jeneraliny, Maixent Bekangba. Miantso ny mpiarabelona ihany koa ity tale jeneralin’ny Airtel ity mba hampitovy ny zon’ny olona manana fahasembanana sy ny olon-tsotra hahafahana mandrindra ny fiarahamonina. Nandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny olona manana fahasembanana nomarihina tamin’ny sabotsy 3 desambra lasa teo no nanambarany izany. Tsiahivina moa fa ankoatra ny fikambanana Tittel dia efa nanampy ny ivontoerana Sembana Mijoro eny Morondava sy ny Orchidées blanches etsy Androhibe ihany koa ity orinasam-pifandraisana iray ity.

Paty


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT