Nanambara ny avy eo anivon’ny Tandroharena na fikambanan’ireo mpikaroka momba ny vakoka sy lova ary harem-pirenena fa voasokajy ho anisan’ny vakoka ny rovan’i Manjakamiadana.
Tsy misy maha vakoka azy raha kitihina amin’ny toetrany taloha. Mitahiry ny tantaram-pirenena iny toetra nanandratana azy ho vakoka iny. Azo atao ny manarina ny vakoka fa tsy tokony hatao kosa ny mikitika na manavao izany fa mandiso ny tantaram-pirenena, hoy hatrany ny Tandroharena. Raha atao hoe vavolombelon’ny tantara aza ny vakoka dia tsy azon’ny saina ekena mihitsy ny fametrahana « ascenseur » ao amin’ny lapan’i Manjakamiadana, hoy izy, ireo satria ny haitao taloha, ohatra, tazomina nefa ny fandrosoana vahiny fihinina. Sivilizasionina mifandrirotra sy kolontsaina mifangaro tsy afa-miaraka izany. Tantara hosoka ka manohy ny lalana nosokafan’i Gallieni tamin’ny fanjanahantany toy ny sary velona mitory ny toetsaina voazanaka nanabeazana ny malagasy ankehitriny ny toy izany, hoy izy ireo. Tsy vao izao no nisy antso avo ny amin’ny tsy tokony hikitihana vakoka toy izao fa ankoatr’ity fikambanana voalaza farany ity dia efa niezaka nanakana izany fikitihana vakoka izany koa ny Amis du patrimoine fony nikitika ny totohabaton’Antaninarenina sy Ambondrona ny fitondrana tetezamita.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.