Manahy ny rehetra fa miroborobo ary mahazo sehatra eto amintsika tato ho ato ny fiparitahan’ny finoana Silamo.
Tafapetraka ny faran’ny herinandro teo, tany Toliara, ny vato fehizoron’ny asa fanamboarana “mosqué” iray avy amin’ny fikambanana Ahmadiyya manaraka ny finoana Silamo Sunnite nohavaozina. Ny tanjon’ity fikambanana ity dia ny fitaizana ny tanora tsy hirona amin’ny zava-mahadomelina. Raha ny fanazavazana voaray dia ity “mosqué” haorina ao Andabizy Toliara ity, manana halavana 13 metatra sy 10 metatra sy sasany ny sakany, izay mahazaka olona 250, no “mosqué” Ahmadiyya voalohany any amin’ny faritra, ary haharitra efa-bolana ny asa fanamboarana. Tonga nametraka tamin’ny fomba ofisialy ny vato fehizoron’ny asa ny lehiben’ny Faritra Atsimo Andrefana izay nanamarika fa misokatra ho an’ny rehetra ny tanànan’i Toliara. Marihina fa etsy Andavamamba no misy ny foiben-toeran’ny Ahmadiyya eto Madagasikara ary efa 15 taona no teto amintsika, raha tany Pakistan no niforonan’ny fikambanana.
Eric R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.