Actualités

Fikambanana Planet Renew Hanohitra ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harem-pirenena


  • Alarobia 06 Febroary 2019

Manoloana ny famarotana ireo toerana misy harena ankibon’ny tany nataon’ny filoha nifandimby teto amin’ny firenentsika dia mijoro soa aman-tsara ny fikambanana « Planet Renew »,

 

 ivondronan’ireo  malagasy sy Vahiny monina any ivelany hanohitra izany,tarihin-dRtoa  Irène Ramiandrisoa,Walson walfang René,ary Rakotolahy Charles. Malagasy monina any ivelany izy telo mianadahy mianaka ireto izay nahatsapa hatramin’ny ela fa manimba an’i Madagasikara ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ka tokony handraisana fepetra.  Anisan’ny dingana lehibe efa vitan’izy telo mianadahy mianaka ireto ny fanatrehana ny "Forum Économique International "tany Davos ,izay sehatra lehibe nahafahan’izy ireo nifampiresaka nivantana tamin’ireo filoham-pirenena sy mpandraharaha mampiasa vola eto amintsika.  « Aok’izay ny fivarotana tanindrazana ary miangavy ny mpitondra izahay mba hijery akaiky ny tombontsoa azon’ny vahoaka malagasy avy amin’ireny fitrandrahana ny harena ankibon’ny tany ireny », hoy izy ireo. Betsaka ireo tany efa lafo hitanay ka hanairanay ny mpiray tanindrazana mba hijoro handray andraikitra haingana, sao dia ho  lany tamingana ny harem-pirenena any amintsika », hoy Rtoa Irène de Madà nanazava ny antom-pisian’ny fikambanana. Ankoatra izay dia manao  antso avo amin’ny fitondrana ankehitriny ihany koa  izy ireo mba hampitsaharana ny fitrandrahana hita fa sady manimba ny tontolo iainana ,no tsy ahitan’ireo vahoaka tombontsoa akory toy ny hataon’ny orinasa iray mpitrandraka fasimainty any atsimo. Manentana ny mpiray tanindrazana ihany koa izy ireo ho sahy hijoro ary tsy hanaiky lembenana ny amin’ny famarotana  ny tanindrazana iombonana.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT