Actualités

Fikambanana nosy Malagasy Haneho hevitra mandritra ny Frankofonia


  • Zoma 18 Novambra 2016

Tsy mitsahatra hatreto ny fangatahana ny fahazoana ireo nosy Malagasy izay hiadiana amin’ny Frantsay amin’izao fotoana izao.

 Ao anatin’ny fihaonana an-tampon’ireo tany miteny amin’ny ampahany na manontolo ny teny Frantsay isika amin’izao fotoana izao. Ao anatin’izany no fotoana tsara indrindra hangatahana ny famerenan’ny Frantsay ireo nosy eparsa, izay efa nambaran’ny firenena mikambana fa an’i Madagasikara, araka ny fehin-kevitra tamin’ny taona 1979. Manoloana izany, nandefa taratasy tany amin-dRamatoa Michael Jean, Sekretera Jeneralin’ny Frankofonia ny Fikambanana nosy Malagasy tarihin’i Arlette Ramaroson mba hanaovan’ireo filoham-panjakana fanambarana miaraka momba io ireo nosy eparsa ireo ka hanamafisana fa an’i Madagasikara izany. Raha tsiahivina dia efa nandefa taratasy tany amin’ny Firenena mikambana amin’ny maha an’i Madasikara ireo nosy ireo ny Fikambanana Nosy Malagasy  nandritra ny fivoriana faha-71 teo anivon’ny firenena mikambana  natao tany Etazonia saingy tsy niady ho amin’izany ny Fanjakana Malagasy ka dia nahemotra any amin’ny fivoriana faha-72 ny fandinihana izany. Nanambara ny Fikambanana Nosy Malagasy fa tsy maintsy hijoro ary hiady hatramin’ny farany raha ekena ny fandraisan’anjaran’izy ireo amin’io fihaonana an-tampony io ary nohamafisin’i Arlette Ramaroson izay mpahay lalàna iraisam-pirenena fa azo atao tsara ny mangataka ny hiteny amin’ny frankofonia mba hahafaha-mitaky ireo nosy ireo. Hamela malalaka azy ireo ve anefa ny mpitondra izay malaza ho mpisolelaka sy mpila ranondranony ka mahafoy ny tanindrazana noho ny henamaso ?

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT