Herintaona mahery izay no nijoroan’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa tao amin’ny faritra Boeny dia efa hita sahady ny fomba fiasan’ity fikambanana mpamaha ny olan’ny vahoaka madinika ity. 70 mahery ireo fitarainana voaray ka ny 90°/° amin’izy ireo dia resaka ady tany avokoa.
Raha ny zava-misy dia sampandraharaha roa miankina amin’ny fanjakana no miara-miasa akaiky amin’ity tambajotra miaro ny zon’ny mpanjifa ao Mahajanga. Raha ny fomba fiasan’ireo tompon’andraikitra dia miandry ny fangatahana avy amin’ny mpanjifa izy ireo vao miroso amin’ny fanadihadiana sy ny fifampiresahana amin’ireo talem-paritra izay hiantefan’ny olana. Efa maro ireo olona izay manana ny olana no manatona ny biraon’ny zon’ny mpanjifa ka saika mivaha ny olana entina ao. Ny fitsarana no tena matetika mandray an-tanana ireo olona tonga any an-toerana. Vonona hatrany ny fikambanana ny hamaha ny olana ireo mpanjifa izay tonga ao aminy. Efa nisy ny didy aman-dalàna mikasika ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa entina eny anivon’ny antenimieram-pirenena mba hampiharana azy io ho fiarovana ny tombontsoan’ny besinimaro. Andrasana amin’ity taona ity ny fivoahan’ny didim-panjakana vaovao mikasika ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.