Nampahafantarin’ny Fikambanana Malaza 504 ny atao hoe C-Solution.
Izy io, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana, Désiré Rakotomalaza, dia akora fanamasahana sakafo hisorohana ny fanapahana hazo noho ny fahatsapana fa miha ringana ny ala eto Madagasikara. Nitetezana faritra miisa 8 izay vao hita ny akora fototra miisa 5 mandrafitra azy ity. Toerana miisa 2 dia ny distrikan’Amparafaravola sy ny kaominina Asabotsy Anjiro moa no tena ivon’izay akora fototra izay, raha ny fikarohana nataon’izy ireo. Isan’ny tombontsoa azo avy amin’ity solon-tsaribao ity ilay izy tsy manempotra sy mora mirehitra ary mora vidy noho ny saribao manimba tontolo iainana. Maharitra ora 4 ny 1,5 kilao aminy, hoy hatrany ny fanazavana. Ny volana janoary 2020 kosa no hieritreretana hanaparitahana azy eny amin’ireo tsena fa aleo, hoy ny fikambanana, hanangona akora misimisy aloha.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.