Actualités

FIkambanana MAlagasy MIjoro Asa soa no nanamarihana ny tsingerin-taona voalohany


  • Talata 14 Oktobra 2014

Ankoatra ny nofon-kena mitam-pihavanana mahazatra dia nomarihan’ny FIMAMI na ny Fikambanana Malagasy Mijoro tamin’ny fanaovana asa soa dia fizarana kahie ho an’ny zanaky ny mpikambana ao amin’ny tonga tetsy Ampefiloha,

ny alahady teo, ny tsingerin-taona voalohany nisiany. Ny tahaka izao ihany, hoy ny filoha nasionalin’ity fikambanana ity,  Randrianarisoa Gervais,  no ahafahana miala amin’ny fahasahiranam-bahoaka. Niantso ny rehetra hiroso mivantana amin’ny asa fampandrosoam-pirenena any amin’ny ambaratonga misy azy avy. Niantso ny mpitondra koa ny birao nasionalin’ny FIMAMI, hanohy ny asany ary hiezaka hanatanteraka araka izay tratra ny drafi-pampandrosoana napetraky ny filoham-pirenena, hiadanan’ny vahoaka. Tsy manao politika izahay, hoy izy araka ny sata mifehy azy, nefa miara-miasa amin’ny fitondrana kosa amin’ny asa fanasoavam-bahoaka, hisian’ny fampandrosoana ifotony. « Avelao hiasa malalaka ny mpitondra, indrindra ny filoha Rajaonarimampianina Hery, hahavitany izay nisafidianantsika azy », hoy ny hafatra natsipiny ho an’ny mpikambana tamin’io andro io. Niantso ny vahoaka malagasy tsy an-kanavaka ny fikambanana mba tsy ho tratry ny fitarihana amin’ny asa fanakorontanana sy fanapotehana ny firenena izay sakana mivantana amin’ny fampandrosoana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT