Tsy nanadino ireo mpianatra tao amin’ny EPP Ampitolova ny fikambanana INNER Wheel tao Mahajanga amin’izao fidiran’ny mpianatra izao. Nanolotra fitaovam-pianarana an’ireo mpianatra izay miisa 243 tao amin’ny EPP io ireo mpikambana ka notsinjaraina tamina kilasy dimy misy
Tsy nijanona tao amin’ny EPP Ampitolova ihany ny hetsika fanampiana ny mpianatra fa nitohy tao amin’ny akanin’ny zaza nania ao Amborovy izany ka nanome vola entina andoavana ny saram-pianaran’ireo zaza tazaina ao ny fikambanana. Anisan’ireo matetika mahazo fanampiana avy amin’ity fikambanana ity ny akany ao Amborovy io. Tao anatin’ny dimy volana izay no nanoloran’izy ireo fahitalavitra iray lehibe ho an’ireo zaza nania ireo. Mitohy hatrany anefa ny fanampiana ataon’ny fikambanana izay miahy ny zaza sy ny vehivavy ity fikambanana INNER Wheel ity ka miezaka hatrany izy ireo ny hanohy izany. Raha ny fantatra dia hisy ny kongresy lehiben’ny fikambanana izay atao ao La Reunion amin’ity taona ity ka hiompana amin’ny fampandrosoana ny faritra misy ny fikambanana no hodinihana amin’izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.