Mitohy hatrany ny asa soa fanaon’ireto tanora navondron’ny tambajotra « facebook » ao Toamasina, antsoina hoe « Ino Maresaka ŕ Tamatave » na IMT, ireto ka taorian’ny fanampiana tamin’ny fanadiovana ny « place bien aimé »
» Ampasimazava sy ny fiaraha-miasany amin’ny Dih’Araika amin’ny fanatontosana ny « festival Mitsaka », dia ny fanolorana « tables bancs » ho an’ny EPP Analamalotra no nataon’izy ireo ny alarobia teo. Efa toky nataon’izy ireo ho fanampiana ny sekoly izao satria vokatry ny fahamaizan’ny sekoly nandritra ny fitokonan’ny Sempama sy ny fahasimban’ny efitranon-tsekoly noho ny fahanterany, dia amin’ny tany ny mpianatra no mandranto ny fianarany ary trano tsizarizary no ampitana ny fahalalana amin’ireo ankizy. « Tables bancs » miisa 20 tamin’ny herin’ireo mpikamban’ny IMT sy ireo mpiara-miasa aminy no nahavitana nanolotra izao fitaovana izao ; tsy vitan’ny fanolorana « tables bancs » ihany anefa no nataon’ireto tanora IMT ireto, fa nentanina ihany koa ny ray aman-dreny mba tsy ho kivy na eo aza ny adim-piainana amin’ny fampianarana ny zanany. Efa nanao ny ezaka amin’ny mpanao asa soa azy ireto tanoran’ny IMT ireto, ka miandry ny anjaran’ny fanjakana amin’ny mpiahy ny vahoaka azy sy ny malala-tanana hafa ihany koa hanampy ity EPP Analamalotra ity amin’ny olana ara-pitaovana misy ao aminy, indrindra ny fanarenana ireo efitranon-tsekoly efa tena simba be.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.