Actualités

Fikambanana Happy Women Nanentana ny ankizy amin’ny fanasan-tanana


  • Sabotsy 15 Oktobra 2016


 

Nanentana ireo ankizy madinika zanaky ny sahirana ara-pivelomana monina eny Andraharo ny fikambanam-behivavy mpandraharaha Happy Women omaly ho fanamarihana sahady ny fankalazana ny andro maneran-tany ho amin’ny fanasan-tanana amin’ny savony izay hankalazaina anio sabotsy 15 oktobra. Ankoatra izay dia nanome toro-hevitra ny Renim-pianakaviana sy nanolotra savony tamin’ny baoritra ho azy ireo ihany koa ny fikambanana hahafahana miaro ny isan-tokantrano  amin’ireo karazan’aretina mety hateraky ny loto entin’ny tanana. Hetsika efa fanaon’ity fikambanam-behivavy iray ity isan-taona moa ny tahaka izao,  fikambanana izay hivondronana vehivavy manana ny maha-izy azy  manodidina ny folo manana tanjona hampianatra sy hamolavola ireo vehivavy sy Renim-pianakaviana toa azy tarihin’i Nathalie Rabe filoha mpanorina ny fikambanana. Nohazavain’izy ireo nandritra izany fa mandalo dingana miisa dimy ny fanasan-tanana. Voalohany ny fandemana rano ny tanana, faharoa ny fanosorana savony azy izay azo hasolo tsara ny lavenona raha tsy misy, fahatelo ny fandemana rano ny tanana indray, fahaefatra ny fikosehana ny tanana manontolo  ary ny fahadimy farany dia ny fanadiovana ny hoho sy ny tanana ambony izay tokony haharitra 20 segondra eo ho eo.

Pati  


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT