Taorian’ny fizarana tany teny Soaniedanana mikasika ilay tetikasa fifindra-monina tanterahin’ny fikambanana Hafari Malagasy dia hiroso amin’ny fanatsarana ny asa fiharian’ny mponina izy ireo manomboka izao
. Amin’ny alalan’ny fanatonana ny fanjakana sy ny mpamatsy vola no hanatanterahana izany hahafahan’izy ireo maka sy mindram-bola amin’ny banky. Na izany aza anefa dia hametraka volam-piantohana mitentina 600 tapitrisa Ar any amin’ny banky izy ireo hahafahan’ny mpikambana rehetra maka izay vola ilainy, tsy hanavahana na iza na iza. Arahin’ny fananganana orinasa goavana ao Soaniedanana izany entina hampihodinana ny vola. Hatreto dia resaka fiompiana sy fambolena, ny asa tanana ary ny tsena no tena imasoan’ny fikambanana, ka ao anatin’ny enim-bolana no hanenjehana izany. Mialoha izay anefa dia hisy ny fivoriambe izay hamorian’ny filohany Rafanomezantsoa Jean Nirina ireo mpikambana ao aminy rehetra ny 2 Novambra ho avy izao etsy amin’ny foiben-toerany etsy Anosizato Atsinanana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.