Actualités

Fikambanana Gasy Jiaby «Mbola voavakavaka ny vehivavy. »


  • Alarobia 09 Novambra 2016

Miady mafy hatrany ny avy eo anivon’ilay fikambanana Gasy Jiaby izay manana tanjona ny hamongotra tanteraka ny olana ara-taratasy eto amintsika afaka 10 taona.

 Miara-miasa akaiky amin’ny mpanara-maso avy ao anivon’ny firenena mikambana momba ireo mpitsoa-ponenana na ny UNHCR izy ireo amin’izany ka io omaly io no nitatitra ny vokatry ny tolon’izy ireo tetsy Antaninarenina. Taorian’ny fihaonan’ny solontenan’ity rafitry ny firenena mikambana ity tamin’ny filoham-pirenena ny herinandro teo dia azo antenaina ny vokatra ho azo. Efa nisy ny fanambarana nataon’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina mikasika ny hanafainganana ny fanaovana ny maha ara-dalàna ny olom-pirenena eo amin’ny lafiny ara-taratasy. Ny tena andrandrain’ny fikambanana dia ny fahafahan’ireo reny malagasy manambady vahiny mamindra ny zom-pirenen’izy ireo amin’ny zanany. Mbola ny lalàna mifanohitra amin’io anefa no mihatra hatreto ka hanaovan’izy ireo antso avo satria mbola midika io fa voavakavaka ny vehivavy, hoy ny nambaran’izy ireo.

Mirija


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT