Actualités

Fikambanana EFAJORO sy ASA Nizara sakafo ho an’ny ankizy sahirana 250


  • Sabotsy 29 Oktobra 2016

Miezaka mitety ireo boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra isam-bolana ny fikambanana Efajoro tarihin’ny filohany Razafimandimby Rija Ethel hanampiana manokana ireo ankizy zanaky ny sahirana ara-pivelomana.

Zaza sahirana miisa 250 monina eny Andravoahangy sy ny manodidina indray  omaly no notolorany sakafo  antoandro maimaimpoana taorian’ireo ankizy sahirana etsy Analakely. Tao amin’ny tranobe, toerana fisakafoanana ao anatin’ny tsenan’Andravoahangy no nanatontosana izany nanomboka tamin’ny 11 ora antoandro. Antony nanaovan’izy ireo ny hetsika ny fahatsapana fa betsaka amin’ireo ankizy madinika eto an-drenivohitra no in-dray mandeha monja isan’andro ihany no misakafo raha mahita ary mirenireny sy manao kibo rivotra avokoa ny ankamaroany. Tena tianay raha  sakafo maraina sy antoandro ary hariva no omena, hoy Razafimandimby Rija Ethel fa izay kely misy eo am-pelatanana no tsy maintsy tsinjaraina. Nampidirina avy hatrany tao amin’ny hotely iray lehibe moa ireto ankizy ireto nandritra izany. Tsiahivina fa efa an-dalam-pikarakarana ilay tetikasa maharitra entina hanampiana ny mpiara-belona ny fikambanana Efajoro amin’izao fotoana izao.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT