Actualités

Fikambanana “Demoiselles de Keur” Hanampy ireo fianakaviana sahirana


  • Talata 29 Novambra 2016

Mijaly ny vahoaka Malagasy ary mila tsy ho tazana intsony raha ny fahitan’ny fikambanana Feon’ny tany sy ny Aide humanitaire 2 AH azy.

 

Nosinganin’izy ireo manokana ny fahasimban’ny tontolo, loza mananontanona ho antsika ka tokony hanaovana ezaka. Antony nahatonga azy ireo hiara-kiasa akaiky amin’ny fikambanana Demoiselles de Keur tarihin’ny filohany Ramatoa Fatou Diouck izany,   mpilalao volley ball kalaza any Sénégal izay kapitenin’ny ekipam-pirenena any an-toerana. Anisan’ny fikambanana iray manana vina  maro ity fikambanana ity, indrindra fa ny lafiny ara-tsosialy, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny fampiroboroboana ny sehatry ny fanatanjahantena. Nigadona teto an-tanindrazana omaly ny vehivavy izay manana tanjona hanampy ireo vehivavy mananontena sy  zatovovavy nitsoaka an-daharana tany an-tsekoly. Omena fiofanana izy ireo mba hananany asa mahaleotena hahafahany mivelona. Hampianatra ireo ankizy mpianatra eny anivon’ny sekoly momba ny fikajiana ny tontolo iainana ihany koa ny fikambanana, arahin’ny fanitarana  ny lalao ara-panatanjahantena toy ny volley-ball, fanampiana izay hiantefa mivantana any amin’ny federasiona. Ankoatra izay dia hijery manokana ireo mponina lasibatry ny kere any Atsimo ihany koa izy ireo, fiaraha-miasa izay azo nandritra ny fandraisana ny frankofonia ny herinandro teo.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT