Tonga nanolotra boky diksionera anglisy miisa 200 ho an’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny fikambanana Borah, manao asa sosialy eto Madagasikara.
Tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely no nanatanterahana ny hetsika omaly zoma 30 septambra 2016, mariky ny fiaraha-miasa matotra misy eo amin’ny roa tonta. Milaza ny Filohan’ny Fikambanana, Akbaraly Mansouraly fa mbola hitohy ny fanampiana ka arakaraky ny filàn’ny kaominina no hanantaterahana izany.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.