Manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny, hatramin’ny nigadonan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana teto an-tanindrazana indray, ka isian’ny fanehoan-kevitra sy fihetsika samihafa mitory tsy fitoviam-pijery eto amintsika
. Izany indrindra no mahatonga anay fikambanana Ambany tanàna hijoro ho elanelam-panahy fa tsy hiteraka fiadanana ny fifandrafiana sy fifankahalan’ny samy Malagasy. Nambaran’ny Ambany tanàna ihany koa fa toheriny an-kitsirano ny fihetsika na fihevitra mety hitarika fampisaraham-bazana na hanapotika ny ezaka efa vita, ho fitandroana ny soatoavina Malagasy. Nisafidy ny ho tany tan-dalàna i Madagasikara, hoy Razanakoto Jean Richard mitondra tenin’ity fikambanana ity, ka tokony hanaja ny lamina mifanaraka amin’ny lalàm-panorenana. Efa mitovy fomba fijery aminay izao, hoy izy, ny mponina amin’ny faritra maro sy ny mpianatra avy eny amin’ny anjerimanontolo. Marihina fa tao anatin’ny fivoriamben’ny fikambanana notontosaina tamin’ny faran’ny herinandro teo no nanambaran-dry zareo Ambany tanàna an’ireo hevitra rehetra teo ary nideran’izy ireo manokana an’ireo vondron’olona na fikambanana efa niroso tamin’ny fikatsahana ny firaisankina hoenti-mampandroso miaraka ny firenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.