Actualités

Fikambanana Ambalambahoaka Hikaroka izay nivarotra ny kianjam-baolina etsy Anosizato


  • Zoma 04 Martsa 2016

Nihaona mivantana tamin’ny mpanao gazety omaly ny fikambanana Ambalambahoaka Mandray andraikitra na ny AMI.

 

 Raha ny fanazavan’ny filohany Rakotonandrasana Gilbert dia tena nisy nivarotra marina ny kianja filalaovam-baolina etsy Anosizato ary olon-tokana no nividy azy. Hatreto anefa dia tsy fantatra io olona io. Efa 70 taona izay no nanajariana io toerana io, izay toerana fanaovan’ny boriborintany fahefatra fanatanjahantena notarihin’ny mompera Henri izay nitantana ny klioba Anosizato. Mbola nitohy tamin’ny fitantanan’ny lehiben’ny klioba Domoinan’i Soavina Atsimondrano indray izany. Tsy nisy fanavahana ireo mpanao fanatanjahantena na iza na iza. Ny faran’ny herinandro teo nandritra ny fanokafany ilay « championnat » no nilaza taminy tamin’ny antso an-tariby ny lehiben’ny fokontany eny an-toerana fa efa lafo io kianja filalaovam-baolina io izay efa manana certificat juridique mihitsy. Tsy hanaiky hatramin’ny farany izy ireo fa hitaraina any amin’ny kaominina, hiantso ny minisiteran’ny fanajariana ny tany ihany koa ankoatra ny birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly mba hanao fanadihadiana manokana mikasika io kianja filalaovam-baolina io. Mankasitraka ny mpandraharaha efa nanohana azy izy ireo ary mbola manantena fiaraha-miasa hatrany.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT