Actualités

FIKAMBANAN’NY ZON’NY MPANJIFA MAHAJANGA Ataon’ny sasany fitadiavam-bola


  • Talata 02 Desambra 2014

Tsy dia mifantoka loatra amin’ny famahana ny olana sedrain’ireo mpanjifa loatra ireo mpikambana mpiaro ny zon’ny mpanjifa ao Mahajanga fa dia variana amin’ny fakana vola amin’ireo sampandraharaha izay hanaovan’izy ireo fandaharana hatrany

. Tsy amelan’ireto farany raha tsy mahazo izay ilainy izy ireo, hoy ny loharanom-baovao. Etsy an-daniny, maka ny toeran’ny mpanao gazety ny mpanentana ny fandaharana izay asa tsy tokony hiandraiketany. Maro ny olona mitaraina mikasika ity fikambanana ity izay efa manomboka mivaona ny amin’ny fototra ijoroany. Voalazan’ny mpanjifa izay tafaresaka tamin’ny mpanao gazety fa lasa miditra amin’ny fiainan’ny olona izay asaina ny mpanentana ny fandaharana, indrindra rehefa tafaresaka amin’ny talen’ny sampandraharaha iray izy ireo. Milaza ny filohan’ny fikambanana rehefa nanontaniana fa saika avy amin’ny mpanjifa avokoa ny fanontaniana mivoaka saingy tsy izay intsony no miseho fa zavatra hafa. Fikambanana izay tena manaikaiky ny vahoaka ity fikambanana miaro ny zon’ny mpanjifa ity ka tokony hamboarin’ireo mpikambana tsara ny fomba fiasa mba hialana amin’ny fanakianan’ny olona avy ety ivelany. Ny maharary ny vahoaka no tokony himasoan’ny fikambanana mba hampirindra ny fiainana andavanandron’ny mponina, izay rahateo no tanjona.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT