Ny fanolorana fiofanana sy fanolorana tolo-tanana araka izay azo atao eo amin’ny sehatry ny asa tanana, fambolena, fiompiana ary hiantefa hatrany amin’ny sehatry ny fanabeazana ny Reny sy ny zaza. Ireo no ampahany amin’ny sehatr’asa hatolotry ny
« Fikambanan’ireo vehivavy zanak’avaradrano mandroso» ho an’ireo andriambavilanitra monina ao anatin’ny Kaominina miisa 14 mandrafitra an’Avaradrano. Nomarihan’i Faraniaina Tantely, filohan’ity fikambanana ity fa ny hitondra fampandrosoana amin’ny alalan’ny asa no antompisian’ny fikambanana izay misokatra malalaka ho an’ireo liam-pandrsoana rehetra. Andalana ho amin’ny fametrahana ireo rantsana eny anivon’ny kaominina ankehitriny izy ireo. Nanombohana izany, omaly tolakandro, ny teny Ambohimangakely.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.