Actualités

FIKAMBANAN’NY MPIKABARY MALAGASY Tonga hatrany Maorisy


  • Talata 22 Novambra 2016

Mba ho fampiroboroboana ny teny Malagasy hatreny ifotony, indrindra ho fampitana ny kolontsaina amin’ny taranaka faramandimby dia niitatra manerana ny faritra maro indray ny sampan’ny FIMPIMA ( Fikambanan’ny mpikabary Malagasy) raha araka ny fanazavan’ny filohany Hanitra Andriamboavonjy.

 Tato anatin’ny iray volana monja mantsy  dia distrika miisa efatra no nananganana izany dia ny distrikan’i Sambava, Andapa, Vohémar ary Fenoarivo Atsinanana  niampy ny   any amin’ny Nosy rahavavy Maorisy. Ny  Malagasy mihitsy no efa tena liana amin’ny fandalinana ny teny sy ny kolontsaina malagasy  ary mangataka ny hanaparitahana izany  manerana ny Nosy,  hoy hatrany Andriamboavonjy.Hanitra. Nanamarika ny vanim-potoana  nanan-tantara teo amin’ny kabary Malagasy izy ireo ny herinandro teo. Nivoitra nandritra izany ny fampahatsiahivina ireo 14 lahy tena kalaza teo amin’ny sehatry ny kabary teto amintsika ka anisan’ireny Andriamanantena Georges  izay fantatry ny maro amin’ny anarana hoe : Rado. Izy 14 lahy ireo raha tsiahivina no nanangana ny firaisankinan’ny mpikabary Malagasy 53 taona lasa izay izay nivadika ho fikambanan’ny mpikabary Malagasy taty aoriana. Manodidina ny 2.000 isa ankehitriny ireo mpikambana ao amin’ny FIMPIMA.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT