Manoloana ny tranga misy iainan’ny mpianatra eny Ankatso amin’izao fotoana dia nisy ny fitarainana nataon’izy ireo.
Nitety ireo masoivoho vahiny miasa sy monina eto Madagasikara izy ireo ny alatsinainy sy talata ary omaly alarobia. Nametraka taratasy teny amin’ny FFKM sy ny FFM ihany koa izy ireo. Raha ny votoatin’ny resaka dia nilaza ireo mpianatra fa teboka telo no tsy voahaja eto Madagasikara amin’izao fotoana dia ny falalahana miteny, ny fanajana ny zon’olombelona ary ny fitandrovana ny sisin-tanin’ny oniversite ataon’ireo mpitandro ny filaminana. Nanamafy ihany koa ireo mpianatra ireo fa mbola marary mafy Ravelomanantsoa Berija ary miha mihombo ny aretiny. Noho izany dia nisy ny antso avo nataon’izy ireo mba tena fitsarana madio ary tsy misy fiangarana no ataon’ireo mpitsara azy anio.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.