Raha tamin’ny taona 2006 ny fikambanan’ireo mpitsabo mpanotra eto Madagasikara no nahazo fankatoavana tamin’ny fomba ofisialy dia nilaza ny filohany fa mijoro ary miasa ny fikambanana. Mahatratra 520 ireo mpikambana voasoratra anarana ara-dalŕna, ary 200 eo ho eo ireo tena am-perinasa tanteraka manerana an’i Madagasikara.
Ny taona 2013 no nisy ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa tamin’ny minisiteran’ny fahasalamana ary efa nahazo fankatoavana manokana. Nomarihin’Atoa Razafimamonjy Mamitiana filoha nasionaly fa ny hotra mitsabo ireo aretina maro samihafa no afaka miditra ao anatin’ny fikambanana. Betsaka, hoy izy, ny tombontsoa azo rehefa anaty fikambanana ny mpitsabo mpanotra iray ho an’ireo izay manana fahazoan-dalana manokana. Manoloana ireo trano fanorana mijoro eny rehetra eny dia nilaza hatrany ny tenany fa tokony hisy ihany ny fepetra raisin’ny fanjakana manoloana ireo milaza azy ho mpanotra nefa amin’ny endriny fivarotan-tena ankolaka.
Tojo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.