Actualités

Fikajiana ny tontolo iainana eto Madagasikara Tena mila ezaka goavana


  • Zoma 18 Janoary 2019

“Mitentina 70 tapitrisa dolara no azon’i Madagasikara tao anatin`ny tetikasa “credit carbone” tamin`ny taon-dasa”, hoy ny minisitry ny tontolo iainana, ny ekolojia ary ny ala, Randriatefiarison Guillaume

 

 

Venance, nandritra ny tatitra nataony mahakasika ny zava-bitan`ny minisitera nandritra ny fito volana naha minisitra azy. Manana ala i Madagasikara ka mila arovana. Raha ny fanazavany dia arakaraka ny velaran-tany no hahafantarana ny etona (gaz à effet de serre) mifoka ny ala ny velaran-tany. Raha misy firenena manao asa ka hisy fiantraikany amin`ny tontolo iainana dia mety afaka misitraka io vola io ny firenena iray izay manana tombony amin`ny ala. Manana fahavononana ny rehetra hiaro ny tontolo iainana amin`ny ankapobeny saingy ilay ezaka hiaro izany no tsy feno fa efa tonga saina. Nohamafisin`Atoa minisitra fa raha tsy misy ezaka atao amin`ny tontolo iainana dia hisy fiantraikany ary hitarika ny faharavan`ny fiainan`ny olombelona ka mila manao ezaka mba tsy ho rava izany. Araka ny tatitra nataony dia maro ny asa notohizany fa kosa nitondrany ny fomba fijeriny. Tsy afa-bela ny eto amintsika ary fantatry ny rehetra ny fanao ratsy hatramin`izay ny doro tanety saingy betsaka kosa ny andraikitra noraisina. Samy nanao ny ezaka ny mpiara-miasa ka na ny doro ala natetika dia heverina fa voafehy na ny fanimbana ala na io manentana na manasazy izay olona miditra ao anaty ala amin`ny fomba tsy ara-dalàna. Teo ihany koa ny fahasahiana saika hisambotra ilay sambo saika hanondrana ireo harem-pirenena eto amintsika. Manan-danja sy manana ny mampiavaka azy manokana ny zava-mananaina eto Madagasikara, toy ny biby, ny zava-maniry, ny firafitry ny tontolo mananaina sady tsy hita pesimpesenina kanefa ny fitaovana ampiasaina tsy dia arifomba. Toy ny seranam-piaramanidina Ivato, tsy nahomby loatra ny zavatra napetraka teny satria ny “scanner” ampiasaina dia tsy mahita afa-tsy “explosive” ihany sady izay ihany koa no nifanarahana. Araka izany, nanafatra “scanner biologique” ny minisitera saingy taraiky ny famoahana izay tokony ho tamin`ny faran`ny taona. Hifarana amin`ny sabotsy izao ny fe-potoam-piasan`ity minisitra ity ka maniry izy mba hanao ambony noho ny nataony izay hisolo azy, indrindra eo amin`ny fiarovana ny ny tontolo iainana sy ny biby eto Madagasikara. Andrasana amin`izay minisitra hisahana ny fitantanana ny tontolo iainana, ny ekolojia ary ny ala ny hivoahan`ny paikady sy drafitrasa matotra ny fe-potoana nofaritan`ny fifanarahana iraisam-pirenena mikasika ny zava-mananaina ao anatin`ny Fivoriamben`ny mpizaika (COP 24) sy ny hamolavolana fifanarahana matotra vaovao hatao any Sina ny taona 2020.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT