Actualités

Fijoroana vavolombelona “Tena ratsy ny sigara, sady toy ny mandoro vola ny mividy azy”


  • Alatsinainy 03 Jona 2019

Raim-pianakaviana iray anisan’ireo mpifoka sigara nikoizana Rakotomanga Jonah.

 

Efa 25 taona nifohana izy ary nahalany roa fonosana isan’andro teo aloha ary efa nahenany efatra  isa isan’andro amin’izao. Anisan’ireo tonga tetsy amin’ny tahala rarihasina Analakely izy naka torohevitra ny amin’ny hahafahany miala amin’ny sigara. Tsapany mantsy fa ratsy ny sigara ary toy ny mandoro vola mihitsy ny fividianana azy ity. Raha ny nambarany anefa dia asa tena no ivelomany nefa ilay sigara tsy mitsahatra miakatra ny vidiny. Ankoatra ity raim-pianakaviana ity, ankizy sy tanora marobe no tonga teny an-toerana hatramin’ny sabotsy teo, hetsika nokarakarain’ny “Centre de Cure  Aro Aina” etsy Andravoahangy hanalana ny mpiara-belona amin’ny fiankinan-doha amin’ny mahadomelina. Nomarihin’ny dokotera Andriamiarinarivo Miarintsoa moa fa ora valo aorian’ny fialan’ny olona sigara monja dia efa mahita vokatra izy ka anisan’ireny ny fihenan’ny poizina amin’ny vatany sy ny fahazoan’ny sela aina.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT