Efa tamin’ny taona 2011 no voasokajy ao anatin’ny lisitra B ny Air Madagascar. Voarara tsy afaka misidina ny lanitra eoropeanina intsony ireo Boeing 767-300 roa nampiasain’ny kaompaniam-pitaterana Malagasy hatramin’io fe-potoana lavareny io
. Nandalo fitsirihana efa maherin’ny 10 teo anatrehan’ny teknisianina eoropeanina hatramin’izao ireo fiaramanidina ireo saingy tsy naharesy lahatra ireto farany hatreto ny lafiny fitandroana ny filaminana ana habakabaka misy eo anivon’ny Air Mad. Nihazo in-droa miantoana tany Bruxelles misy ny foiben’ny Vondrona eoropeanina ihany koa ny minisitry ny Fitaterana sy ny Fizahantany niaraka tamin’ireo mpitantana ny orinasa fa tsy nampivoatra ny toe-draharaha ny fifanatonana teo amin’ny roa tonta. Eto amintsika nanomboka ny fiandohan’ny herinandro indray ankehitriny ny delegasionina eoropenina hijery sy hanao tombana ity tontolon’ny sidina eto Madagasikara ity. Ho fantatra aorian’ny 10 martsa 2016 ny fanapahan-kevitra vaovao na mitohy ny sazy na misokatra malalaka ny fivezivezen’ny fiaramanidina Malagasy any Eoropa. Very 30 tapitrisa euros na 1.052.172.000 ariary isan-taona moa ny orinasa Air Madagascar hatramin’ny nijanonany tao anaty lisitra B. Olana izay tsy maintsy hivaha mialoha ny fihaonana tampon’ny Frankofonia eto Madagasikara, araka ny fanehoan-kevitry ny minisitra mpiahy.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.