Mbola tsy hita hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay ny olona efatra voalaza fa tototry ny tany sy ny vato vokatry ny fihotsahan’ny tany etsy amin’ny Fokontany Tsimialonjafy Ambanin’Ampamarinana.
Raha araka ny vaovao azo teny an-toerana anefa dia tsy nitsahatra ny niasa andro aman’alina ny sampana mpamonjy voina, notronin’ny zandary sy ny polisy ary ny miaramila mpiara-miasa akaiky amin’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary. Hanome tanana azy ireo araka izany ny orinasa Colas amin’ny alalan’ny fanolorana ireo fitaovana tena raitra hahafahana misava haingana ireo razana mbola tavela ao ambanin’ny tany. Efa mamoaka fofona mantsy izy ireo, antony nahafahan’ny sampana mpamonjy voina namaritra ny toerana mety ahitana azy ireo. Ankoatra ity orinasa iray ity dia hanome tanana ny sampana mpamonjy voina ihany koa ny FID noho ny fisiana Raim-pianakaviana iray mbola tavela ao ambanin’ny tany mpiara-miasa amin’izy ireo raha toraka izany koa ny Tily sy ny Antilin’i Madagasikara. Manantena araka izany ny rehetra fa ho hita tsy ho ela ireto razana ireto. Tsiahivina moa fa tsy mitsahatra ny miandry eny an-toerana ny fianakavian’izy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.