Actualités

Fihotsahan’ny tany eny Manjakamiadana Tokantrano 100 tafo no traboina


  • Alarobia 13 Janoary 2016

Tokantrano 100 tafo no efa traboina amin’izao fotoana izao ao amin’ny Fokontany Manjakamiadana vokatry ny fihotsahan’ny tany, nateraky ny ora-nikija tato ho ato.

 

 Misy amin’izy ireo no nalana tsy fidiny tamin’ny tranony raha misy koa ireo voatery niala mihitsy noho ny voina nitranga. Ankoatra izay dia fantatra fa mbola  atahorana mafy ny fihotsahan’ny tany tsy miato ao amin’ity fokontany iray ity miampy ny  fokontanin’Ambohipotsy  ary Tsiadana, raha araka ny fanadihadiana nataon’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary miaraka amin’ny oniversiten’Antananarivo sy ny tompon’andraikitry misahana  ny fanaraha-maso tontolo iainana amin’ny alalan’ny satelita aty amin’ny oseana indiana. Raha araka ny vokatra hitan’izy ireo mantsy dia mihamahazo vahana hatrany ny fitsihifan’ny rano any ambanin’ny tany izay misoko miadana tokoa. Ireo fotodrafitrasa famoahan-drano anefa etsy an-daniny efa tena antitra vokatry ny fanorenana tsy ara-dalana amin’ireo toerana mitolila izay vao mainka mampahazo vahana ny fihotsahan’ny tany. Vokany, voatery nanarina sy nanamboatra ireo tatatra fivoahan’ny rano eny an-toerana ny BNGRC ankoatra ny fametrahana ny Comité Local de Secours na ny CLS.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT