Actualités

Fihiran’ny ankizy eny amoron-dalana « Mila tandreman’ny fitondrana ! »


  • Alakamisy 29 Aogositra 2019

Nalaza teo anivon’ny tontolon’ny kanto Malagasy tao ho ao ny fisandratana ankizy mpihira amoron-dalana ho lasa nalaza teo amin’ny tontolon’ny hira sy mozika.

 

Tonga tany Ejipta nanatrika ny CAN 2019, nandalo tao Maorisy koa nandritry ny lalaon’ny nosy ary ankehitriny dia atsy maraoka manentana ny mpanohana ireo atleta Malagasy mandray anjara amin’ny lalao afrikanina ny Zazakanto. Marihina, hoy ny tomponandraikitr’izy ireo, Lova Rakotoniaina fa ankizy niaina teny amin’ny sisin-dalana ireo 8 mirahalahy ao anatin’ny tarika ary niaina fijaliana sy fahoriana nialohan’izy ireo nampitolagaga vahoaka, eny, izao tontolo izao mihitsy. Namaly ny hetahetan’ny vahoaka momba azy ireo koa ny fitondrana tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny kolontsaina avy eo. Nokarohana ireo ankizy sy ny ray aman-dreniny ary nanaiky teo anatrehan’ny minisitera fa izaho, hoy izy, no tompon’andraikitra voalohan’ireo ankizy ireo. Na izany aza, efa tafaresaka tamina olon-kafa koa ireo ray aman-dreny dia tapaka fa hatsangana ny komity ary nampisahanina ny resaka sosialin’ireo ankizy ny tenako. Ny filoha lefitry ny CFM, Gerard Ramamimampionona, miandraikitra ny fanabeazana maha olompirenena ary Rajery sy Rija kely, samy mpanakanto, no miandraikitra ny kanton’ireo zaza, hoy izy. Natao laharam-pahamehana moa, raha ny fanazavany, ny fampidirana hianatra ireo zaza. Ankoatra ny kanto dia tanjona ny hahitan’ireto ankizy ireto ho avy mamiratra ary efa narindra ny fampiarahana ny mozika sy fianarana. Ny tsikaritra ankehitriny dia mitombo isa ireo zaza mihirahira amoron-dalana ary na ireo tsy mponina eny aza dia misy manatevin-daharana koa. Antony nametrahako tanjona hanalana tanteraka ireo zaza amoron-dalana izany, hoy izy, satria mila mitandrina amin’io tranga io ny fitondrana mba tsy ho lasa ohatra ratsy ny nanampiana ny Zazakanto. Mangataka ny mpitondra sy ny malala-tanana rehetra, noho izany, ny tenany mba hanampy azy satria tsy mora ny fanabeazana ireo ankizy ireo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT