Actualités

Fihinanam-be eny Iavoloha Nofoanana mba hakana fom-bahoaka


  • Zoma 07 Jona 2019

Hiova endrika ny lanonana ara-panjakana eny Mahamasina hanamarihana ny faha-59 taona nahazoan’i Madagasikara fahaleovantena sy ny fetin’ny foloalindahy ny 26 jona izao.

 

 

 

Hanomboka amin’ny 2ora tolakandro ny matso sy ny fisafoana ny andian-tafika ataon’ny Filoha.  Tsy hisy ny fiaraha-miasakafo lehibe fanao eny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, izay mandeha ny fanakianana fa nataon’ny mpitondra nifanesy bizina io. Miapanga tena ny fanjakana raha hiteny an’izany satria izy ireo dia tao anatin’io ihany koa ary efa nitondra ny tetezamita. Voizina ny politikan’ny fitsitsiana, saingy tena mihatra amin’ny zavatra atao rehetra io sa amin’ny fotoana hahafahana manao serasera mipoapoaka hakana fom-bahoaka ihany ? Nitondra inona ho antsika, ohatra, ny dia nandaniana volabe tany Sénégal sy Frantsa na firenen-kafa ? Mety hain’ny mpitondra ny mitsingoloka fa feno halatra be vava ary mahatsiravina ny fanabontsinana faktiora (surfacturation) amin’ny hoe ampiakarin'ireo mpitondra teo aloha avo roa heny ny tena lany, ka raha 50 tapitrisa ariary, ohatra, no lany lany dia 100 tapitrisa ny faktiora aloa amin’ny volam-panjakana, ka ifampizarana ny tombony. Sahy milaza ho tsy nanao izany ve ny tetezamita ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT