“Tsy manakana ny mpandraharaha jirofo hanao ny asa fanondranany ny minisitera, saingy kosa mila manaraka ny fenitry ny fanondranana ny fihariana jirofo, sy ny fenitry ny fahasalamana, ary fenitry ny kalitao ilain’ny mpividy jirofo eto amintsika…”
im-pito nolazain’ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana, Atoa Rafidimanana Narson, teo anatrehan’ireo mpandraharaha amin’ny fihariana jirofo nanao fihaonana tao amin’ny trano fandraisam-bahiny Le Neptune omaly hariva izany. Mbola nohamafisiny aza fa tsy azo ekena ny fanapotehana ity fihariana jirofo ity amin’ny gaboraraka ataon’ny mpandraharaha sasany. Efa fanjakana ara-dalàna isika izao fa tsy tetezamita intsony, ka tany tan-dalàna no apetraka eto ho an’ny Malagasy rehetra anisan’izany ny mpandraharaha jirofo. Raha ny zava-misy mantsy eo amin’ny sehatry ny fihariana sy fanondrana jirofo dia manomboka tsy atokisan’ireo mpividy ny vokatra malagasy any ivelany ny jirofo Malagasy noho ny faharatsian’ny kalitao sy ny resaka fahasalamana, izay nahatonga jirofo an-jatony taonina niverim-potsiny ny taona lasa ka lasa nanamaloka ny fanondranana Malagasy. Ho an’ny fikambanana GEGM na Fikambanan’ny Mpanondrana jirofo Malagasy, izay nijoro ny 14 novambra 2012 ary manana mpikambana 65 ankehitriny raha 20 no niandohany, ahitana an’Atoa Dama Jean Luc filohany, dia nanenjana koa izy ireo tamin’ity taona ity ka nanao fanavaozana teo amin’ny resaka fihariana jirofo tamin’ny fiantsoana ireo tena matihanina amin’ny fanangonam-bokatra sy fanondranana izany, izay nanaovan’izy ireo lisitra manokana mihitsy entina anaraha-maso ny fihariana mila ho simban’ny gaboraraka. Vokany, mpandraharaha sy mpanangom-bokatra maro nahitana sinoa, karana, Malagasy, no niala an-daharana izay lasa nanatsara avy hatrany ny fihariana. Teo koa ny marin-dranon’ny vidiny izay niteraka ho azy marin-dranon’ny kalitao. Manodidina ny 20.000 hatramin’ny 21.000 ariary ny kilao izao, ary hikasa hanondrana jirofo 8.000 hatramin’ny 10.000 taonina ireo mpandraharaha amin’ity taom-pihitazana ity, raha tsy nisy afa-tsy 5.000 taonina izany ny taona lasa. Ankoatra izay, na tsy manavaka amin’ny mpandraharaha afaka manondrana jirofo aza ny minisitera, dia nampirisika kosa ny hidirana anaty fiakambanana satria ny 95%-n’ny fanondranana dia ny GEGM no mifehy azy, raha ny 05% monja ho an’ireo ivelan’ny fikambanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.