Eto amintsika ankehitriny ireo vahiny misolotena ny firenena mivondrona ao amin’ny OIF, dia ireo ao anatin’ilay “Comité de pilotage” fanomanana ny fihaonana an-tampon’ny Frankofonia hotontosaina eto amin’ity taona 2016. Ahitana teratany Malagasy iray ao anatiny.
Ny hijery ny fanomanantsika an’izany fihaonana an-tampony izany no atongavan’izy ireo eto Madagasikara amin’izao diany izao ary hanolotra soso-kevitra sy hanome fanohanana araka izay azon’izy ireo atao koa. Omaly alarobia 20 janoary tolakandro ary dia noraisin’ny Filohan’ny Repoblika sy ny CNO na ny Komity mpikarakara Malagasy ity fihaonana ity teny amin’ny lapan’Iavoloha ireto vahiny ireto. Nambaran-dry zareo fa tsy misy hatahorana ny hahatontosa ny fihaonana an-tampony ity eto Madagasikara hatreto fa mizotra ara-dalàna amin’ny tokony ho izy ny fanomanana ataon’ny Malagasy. Nambaran’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina koa, tetsy an-kilany fa fanamby efa napetraka io ka tsy maintsy hotanterahina hatramin’ny farany. Afaka 160 taona any indray mantsy vao hiverina aty amintsika ny fandraisana ny hetsika ary dia tokony handray izany an-kitsim-po sy fandavan-tena marina isika Malagasy. Ny valala tsy in-droa mandry am-bavahady ka ilaina ny mahay manararaotra indraindray, hoy izy. Nampirisika ny CNO izy mba hihetsiketsika fatratra faran’izay heriny amin’ny fanatontosana ny asa sy fanentanana ny rehetra tsy misy an-kanavaka.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.