Tsy dia nanaitra intsony ny fahafantarana fa neken’ny fivoriana tany Dakar-Senegal omaly fa i Madgasikara no hampiantrano ny fihaonan an-tampony faha-16-n’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny Frankôfônia (OIF) amin’ny 2016.
Efa vita mialoha mantsy ny resaka ary efa ny fanjakana Frantsay mihitsy no nanohana antsika, i Madagasikara irery rahateo no kandida ka tsy mahagaga ny fanapahan-kevitra. Karazan’ny efa namantam-bonona ihany noho izany ny fitondrana Rajaonarimampianina tamin’ity indray mitoraka ity. Ny lasa anefa tsy fanadino ary tsara ny mampatsiahy fa tena ady goavana no natrehan’ny fitondrana Ravalomanana tamin’ny 2008 tany Québec- Canada vao nekena fa i Madagasikara no hampiantrano ny fihaonana an-tampony faha 13 ny taona 2010.Ny repoblika demokratikan’i Kongo no firenena kandida nifaninana tamin’i Madagasikara tamin’iznay fotoana, nandritra io fivoriana io no nanitrikitrihan’ny filoha Marc Ravalomanana fa hiala tsy ho mpikambana ao amin’ny OIF intsony i Madagasikara raha toa ka lavina ny fangatahany hampiantrano ny fihaonana amin’ny 2010, henjana ny adihevitra tamin’izany fotoana. Tsy tanteraka ihany moa ny fivoriana satria nisy ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009. Fa vaovao lehibe tamin’izao fihaonan’ny OIF tany Dakar izao ihany koa ny naneken’ny rehetra fa Rtoa Michaelle JEAN no sekretera jeneralin’ny OIF vaovao handimby an’Atoa Abdou Diouf izay efa nitazona io toerana io nandritra ny 12 taona. Mpanao gazety tamin’ny fahitalavitra, avy eo voafidy ho governora jeneraly tany Kanada Rtoa Michaelle JEAN , mahafehy tenim-pirenena 5 izy ary anisan’ireo iraka manokan’ny firenena mikambana nalefa nandamina tany Haiti raha niaina krizy goavana ity firenena ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.