Hifarana anio ao Antsirabe rehefa naharitra andro vitsivitsy ilay fihaonamben’ny mpanao gazety miteny frantsay andiany faha-45 tanterahina eto amintsika. Fahombiazana ny fihaonana tamin’ny ankapobeny.
Ankoatra ny fahatongavan’ireo mpanao gazety iraisam-pirenena miisa 300 avy amin’ireo firenena mampiasa ny teny Frantsay miisa 47 maneran-tany izay nizara ny traikefany tamin’ireo mpanao gazety malagasy mantsy dia nivoitra ihany koa ny fanasongadinana ny andraikitry ny mpampahalala vaovao amin’ny fampandrosoana ny ara-tsosialy sy ny toekaren’ny firenena mampiasa ny teny Frantsay. Anisan’ny nanampy betsaka ireo vahiny tamin’ny fahalalana ny tanànan’Antsirabe ihany koa izany, indrindra ny zava-nisy tany an-toerana tamin’ny taona 1954 izay nanaovana sesitany ny raiben’ny mpanjaka Mohammed VI. Antony nanosika ny vondrona Star hanohana akaiky ity hetsika ity izany. Misy ozinin’izy ireo rahateo ao an-toerana, anisan’ireo lehibe aty amin’ny ranomasim-be Indiana ka ankoatra ny zava-pisotro dia manampy ireo tantsaha mpamokatra amin’ny resaka famokarana ihany koa ny vondrona. Manodidina ny 20.000 isa ireo mahazo tombontsoa amin’izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.