Actualités

Fifidianana Loholona Latsa-bato sisa andrasana


  • Alatsinainy 28 Desambra 2015

Efa tomombana amin'ny ankapobeny ny fiatrehana ny fifidianana loholona hotanterahina rahampitso talata 29 desambra 2015 manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon'ny CENI.

 

 Efa lasa ny 20 desambra lasa teo avokoa ireo fitaovana ilaina mifandraika amin'izany, haparitaka manerana ny renivohitry ny Distrika manerana ny Faritra 22, toy ny ranomainty sy ny taratasy fitanana an-tsoratra. Efa vita ihany koa ny fanofanana ireo komiseram-pifidianana sy ny SRMV izay handray an-tanana ny asa mandritra ny fotoam-pifidianana.

Nifarana ofisialy tamin’ny 6 ora maraina teo ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana Loholona miisa 42 amin’ireo 63 handrafitra ny Antenimierandoholona. Nizotra tam-pilaminana izany tamin’ny ankapobeny na teo aza ny sakantsakana nihatra tamin’ireo kandida sasany ivelan’ny antokom-panjakana tamin’ny fahafahana nanao fampielezan-kevitra. Mpifidy vaventy, dia ny Ben'ny tanàna sy ireo mpanolotsaina kaominaly, no handatsa-bato rahampitso ary hotanterahina isaky ny renivohitry ny Distrika ka Biraom-pifidianana iray isaky ny Kaominina.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT