Actualités

Fifidianana Holafitry ny mpanao gazety Nametra-pialana koa i Andry Rakoto


  • Alakamisy 13 Novambra 2014

Taorian’ny zokibe Tahitsy Gilbert izay efa nametra-pialana talohan’ny fifidianana ary i Mathieu Ramasiarisolondraibe sy Théodore Ernest taorian’ny savorovoro niseho tamin’ny famoahana ny vokatry ny fifidianana ho filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety tamin’ny sabotsy teo

, dia nilaza ho nametra-pialana tsy hisahana ny andraikitra maha mpikarakara ny fifidianana azy koa omaly i Andry Rakoto. Manaiky ny tenako fa nisy fahadisoana tsy nahy nataonay tamin’ny fanangonana sy famoahana an’ireo vokatry ny fifidianana, indrindra ny tany amin’ny Faritany, hoy izy, ka mba tsy hisian’ny mety ho lonilony indray hitranga eo amintsika samy mpanao gazety izay noheverina fa mba naravona tamin’izao fifidianana izao dia aleoko niala tsy ho mpikarakara intsony. Ny soso-kevitra homeko kosa anefa, hoy izy, dia tokony ho raisin’ireo kandidà efa lany ara-dalàna ho mpikambana vaovao, toy ireo filoha lefitra isam-paritany, ny sekretera jeneraly sy ny mpitam-bola ary ireo mpanolotsaina,  ny fanohizana ny fikarakarana ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny Holafitra vaovao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT