Actualités

Fifidianana holafitry ny mpanao gazety Lasa fifidianana politika ?


  • Alatsinainy 10 Novambra 2014

Mampanahy be ihany ny amin’ny vokatra azo sasantsasany teo amin’ny fifidianana an’ireo ho birao vaovaon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto %adagasikara (OJM) vaovao notanterahina manerana ny nosy tamin’ny sabotsy 8 novambra 2014 teo. Ny vokatra farany azo izay nalefan’ny RNM nivantana avy teny amin’ny “Centre de Presse” Antsakaviro omaly alahady takariva tao anatin’ny vaovaony rehefa niverina ny jiro tapaka noho ny delestazy dia

hikatroka eo amin’ny fihodianana faharoa ho tontosaina amin’ny sabotsy ho avy izao ny kandidà Gérard Rakotonirina (Coco) nahazo isa 197 sy Tahirimanitra Ralambomahay (Lambotahiry) nahazo vato 187 nanerana ny Nosy. Nihintsana moa izany i Rakotozanany Hervé nahazo 179 sy Soava Andriamarotafika nahazo 154 ary Joel Ralaivaohita 135.

Nifamadika tampoka ny isa ?

Teo am-panombohana ny vaovaony anefa  ny RNM dia nanome ny isa 204 ho an’i Hervé ary 203 ho an’i Gérard ka izy ireo no voalaza fa hiatrika ny fihodinana faharoa. Marihina fa ny sabotsy alina nialoha ny nialan’ireo tompon’andraikitra mpikarakara ny fifidianana sy ireo kandidà sasantsany ary ireo mpanao gazety namana nanotrona ny fanisam-bato tetsy Antsakarivo, nanodidina ny tamin’ny 10 ora alina tany dia tahaka izao ny isa azon’ireo kandidà ho filoha 5 rehefa avy nohenoin’ny rehetra ny fanomezan’ny tany amin’ny Faritra ireo vokatra tany amin’izy ireo tsirairay avy afa-tsy ny tany Ihosy izay mbola tsy azo : Tahirimanitra Ralambomahay nahazo isa 186, Joel Ralaivaohita 137, Hervé Rakotozanany 198, Gérard Rakotonirina 202 ary Soava Andriamarotafika 151 (marihina fa ity farany no nitarika teo Antananarivo-Renivohitra omaly tamin’ny fanisam-bato nahazo isa 113 raha 97 ny an’i Joel, 83 ny an’i Gérard, 78 ny an’i Lambotahiry ary 58 ny an’i Hervé). Rehefa tonga omaly tolakandro ny vokatra farany tany Ihosy dia nitarika tamin’ny isa 204 i Hervé narahin’i Gérard 203, Lambotahiry 199, Soava 154 ary Joel 138.  Tena mitady hitovy tsy misy valaka amin’ny fifidianana politika fahita eto amin’ny firenena raha tsaraina ity fifidianana eo anivon’ny asa fanaovan-gazety ity. Marihina moa fa tazana nisongadina tao anaty efitrano fandatsaham-bato teny Antsakaviro tamin’ny sabotsy ny fitaovana nampiasain’ny CENIT tamin’ny fifidianana ofisialy filoham-pirenena sy depiote farany teo. Tazana teny an-toerana koa tamin’ny fanisam-bato ny mpikambana ao amin’ny Cenit sady namana mpanao gazety Fano Rakotondrazaka. Nifamezivezy teny an-toerana koa moa ireo “patron de presse” sasantsany sady mpanao gazety rahateo ary niavaka tamin’ireny Atoa ministry ny serasera farany tamin’ny fitondrana tetezamita.

Teo amin’ireo toerana birao maharitra hafa moa araka ny vokatra mbola tsy ofisialy dia i  Miary Rasoloarijaona no voafidy ho sekretera jeneraly, Didi Ratsimbazafy ho filoha lefitr’Antananarivo, i Jocelyne Tsiava ho mpitam-bola, ary Zo Maminirina ho mpanolontsaina Antananarivo ihany

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT