Nofohazin’Atoa Randrianarisoa Hery Tiana izay tompon-tanàna any Fenoarivobe ny Zanaka am-pielezana rehetra mba handray ny andraikiny araka izay vitany sy azony atao hahatonga ny Distrikan’i Fenoarivobe hivoatra sy ho maodely.
Nijoro noho izany ny ZAD Fenoarivobe na ny Zanaka am-pielezana Avy amin’ny Distrikan’i FENOARIVOBE na ZAD FENOARIVOBE iombonan’ny Zanaka am-pielezana rehetra. Tsy mbola misy ny filoha voafidy hitondra sy handrindra azy, ka dia nitsangana ny Komity mpanomana ny Fifidianana tarihin-dRamatoa Vola Perez. Ny ZAD FENOARIVOBE dia fikambanana lehibe indrindra ao anatin’ny Distrikan’i Fenoarivobe ka mpikambana ao avokoa ireo rehetra avy any amin’ny tanàna maro mandrafitra ity distrika ity: AMBOHITROMBY, FENOARIVOBE, FIRAVAHANA, KIRANOMENA, MARITAMPONA, MANGATANY, MAHAJEBY, MAHAIMANDRY, ANDRIAMPOTSY, TSINJOARIVO 22, ANKOTRABE, AMBATOMAINTY ATSIMO SY AVARATRA,.... Tapaka ary fa ny sabotsy 16 Febroary 2019 amin’ny 02 ora atoandro eny Amboatavo ITAOSY ( akaikin’ny ECOLE VICTOR) no hanaovana ny fifidianana. Tsara ny manamarika fa tsy maintsy mitondra kara-panondro ireo rehetra hamita ny adidiny mba ho fitandroana ny filaminana sy fanamarinana noho ny ratsy tsy tery lalana. Ity distrikan’i Fenoarivobe ity moa dia efa ahitana Zana-pikambanana maro toy ny AEUDF ho an’ireo mpianatry ny oniversite avy any amin’ity distrika ity, ZANAK’I FENOARIVOBE ho an’ireo avy ao amin’ny kaominina Fenoarivobe irery ihany. Ny fikambanana dia tsy manao politika ary tsy azon’ny mpanao politika baikoana fa misokatra ho an’ireo vonona hiara-kiasa amin’ny fampandrosoana ny distrikan’i Fenoarivobe. Ny fikambanana kosa anefa dia manaja ny rafitra rehetra misy ary indrindra ny rafitra ara-pikambanana toy ny MAFAMI ho an’ny Faritanin’Antananarivo sy ny ZANAK’I BONGOLAVA ho an’ny Faritra Bongolava. Misy ihany koa ny sehatra azo hifanakalozan-kevitra amin’ny alalan’ny tambajotra fesiboky: “Zanaka Am-pielezana Distrika Fenoarivobe”.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.