Tafatsangana araka ny “note de service” navoakan’ny ministeran’ny fampianarana ambony sy fikarohana ara-tsiansa ankehitriny ny komitim-pifidianana eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo izay tarihan’ny filoha lefitry ny Oniversiten’Antananarivo ankehitriny noho ny maha-kandidŕ ny filohan’ny Oniversite am-perinasa
. Nampahafantarina ofisialy teny Ankatso omaly ny tena andraikitra ho sahanin’izy ireo sy ny ireo olona mandrafitra azy izay ahitana ireo Sojabe isaky ny “Etablissement” sy mpampianatra ary “personne resource”. Nampahafantarina nanaraka izany koa ny ho fizotran’ny fampielezan-kevitra. Nambaran’ity komity ity omaly fa ny 11 janoary no hanatanterahana ireo fifidianana mpitantana rehetra ny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, na filohan’ny oniversite izany, na mpikambana ao amin’ny komity mpitantana, na ireo Sojabe isan-tsokajiny na koa ireo “Conseil d’Etablissement” sy “Chef de Mention”. Ny 4 ka hatramin’ny faha-10 janoary 2016 kosa no hanatanterahana ny fampielezan-kevitra. “Bulletin unique” no hampiasain’ireo mpifidy izay mpampianatra, solontenan’ny mpandraharaha.
Ny anaran’ireo Kandidà ho filohan’ny oniversite :
1-Pr.Ravelonandro Pierre Hervé
2-Pr.Rakotomanana Hajanirina Fanomezantsoa
3-Pr.Ramanoelina Armand Panja
4-Pr.Ravelomanana Mamy Raoul
Ntsoavina Evariste
Izy 4 miarahalahy kandidà ho filohan’ny oniversiten’Antananarivo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.